Famaritana
Ny atao hoe ZEZIKA dia vokatry ny fandravan’ny bibikely ny fatin-java-maniry isan-karazany sy fatim-biby na ny zavatra avy amin’ny biby ka nandalo teo anivon’ny tontolo iainana (toetr’andro, hamandoana, biby) ary potika tanteraka tsy misy hahafantarana azy intsony.

 

Ny karazana zezika ampiasan’ny mpamboly


   Zezika ralanitra
Fako avy aty an-drenivohitr’Antananarivo ariana eny Andralanitra; dorana ka ny vokatra azo avy eo no lasa zezika ralanitra.
Ny zava-misy hita ao aminy: lavenona, vakim-pitaratra na tavoahangy, arina, tapa-by kely,

   Zezi-pahitra
Taim-biby mifangaro fako navoaka avy ao am-pahitra ary mbola mifangaro tany ka avoaka ivelan’ny vala

SARY

 

   Komposta
Ny fanamboarana komposta dia mifototra amin’ny kasinga telo dia ny akoran-javamaniry sy ny taim-biby na tany masaka na kompsta efa masaka ary ny rano. Ny akoran-javamaniry fampiasa dia ny mololo, ny bozaka, ny ravin-kazo ary izay rehetra tavela tamin’ny fanangonam-bokatra. Ny famokarana akoran-javamaniry dia mifototra amin’ny fambolena karazam-boly legiominezy mba hampitomboana ny tsiron’ny tany. Ny taim-biby dia azo avy amin’ny fiompiana omby, akoho, kisoa sns, … na alaina eny amin’ny toerana famonoana biby.

SARY

 

Fahalalana ankapobeny

 

  Fampidirana
Efa hatry ny ela no nahafantaran’ny razantsika fa ny tany misy tain-kankana dia tany mety voly, lonaka sady mahavokatra. Ny fisian’ny karazan-kankana eo amin’ny tany no ahafantarana ny karazam-boly mety sy tsara hovolena eo.

 

  Ny rafi-batan’ny kankana

KISARY

 

  Ny fiainan’ny kankana
• 2-3 taona ny taham-pahaveloman’ny kankana
• Feno 3 volana dia afaka mamindra taranaka
• Mivelona amin’ny fatin-javamaniry mafimafy toy ny ravina sy ny taho maro karazana (eo amin’ny 25%)
• Milanja 0.3g – 0.5g ny kankana iray
• Mahalany sakafo eo amin’ny antsasaky ny lanjany izy mandritra ny andro iray
• Hafanana: 20°c-26°C. Raha mihoatra ny 30°C ny hafanana dia maty izy

 

Comment this page.