Famaritana ny atao hoe zezika

 

Ny ZEZIKA dia vokatry ny fandravan’ny bibikely ny fatin-java-maniry isan-karazany sy fatim-biby na ny zavatra avy amin’ny biby ka nandalo teo anivon’ny tontolo iainana (toetr’andro, hamandoana, biby) ary potika tanteraka tsy misy hahafantarana azy intsony.


 

 

Ny karazana zezika ampiasain'ny mpamboly

 

Zezika ralanitra
Fako avy aty an-drenivohitr’Antananarivo ariana eny Andralanitra; dorana ka ny vokatra azo avy eo no lasa zezika ralanitra.
Ny zava-misy hita ao aminy: lavenona, vakim-pitaratra na tavoahangy, arina, tapa-by kely…

 

 

Zezi-pahatra
Taim-biby mifangaro fako navoaka avy ao am-pahitra ary mbola mifangaro tany ka avoaka ivelan’ny vala

 

 

 

Lavenona avy ao an-davapako

  • Misy ny lavenona azo avy amin’ny fatana tao an-dakozia
  • Misy ny lavenona azo avy amin’ny fandorana tao an-davapako