Fahalalana ankapobeny


Fampidirana
Efa hatry ny ela no nahafantaran’ny razantsika fa ny tany misy tain-kankana dia tany mety voly, lonaka sady mahavokatra. Ny fisian’ny karazan-kankana eo amin’ny tany no ahafantarana ny karazam-boly mety sy tsara hovolena eo.
Mihalany tamingana anefa ny kankana noho ny famonoana azy mivantana na an-kolaka eo amin’ny fikapana ny ala sy ny dorotanety, ny fampiasana akora simika toy ny zezika sy ny fanafody.

Ny rafi-batan’ny kankana (jereo ny sary eny ambany)

Ireo kankana ireo no ao anatin’ny antsoina hoe: Oligochètes.

Misy volo vitsivitsy eo amin’ny tenany na an-tsisiny

Manana endrika samihafa ireo volony ireo

Ny fiainan’ny kankana

    Velona 2-3 taona

    Feno 3 volana manaranaka

    Mivelona amin’ny fatin-javamaniry mafimafy toy ny ravina sy ny taho maro karazana (eo amin’ny 25%)

    Milanja 0,3g – 0,5g

    Mahalany sakafo eo amin’ny antsasaky ny lanjany izy mandritra ny andro iray

    Hafanana: 20°c-26°C. Raha mihoatra ny 30°C ny hafanana dia maty izy

    Herin’asidra: 5 ≤ pH≤ 9

    Hamandoana: Vaventy:10%-30% - Madinika: 70%-75%. Mitady rano hialany hetaheta fa tsy rano hilomanosana ny kankana)

Ny fampitomboany taranaka
Tranon’atody 2-4 isan-kerinandro no alatsaky ny kankana iray

    21 andro no foy ny atody

    Miisa 2-20 ny atody ao anatin’ny tranon’atody iray

    Manodidina ny 4 ny zana-kankana mety ho lehibe hamindra taranak

Ny karazana kankana

  •       Ny kankana mpiasa tany (endogés):

Njila bory

Njila fisaka

Njila mailo kely

Mena matory

Ny kankana mpanapotika fatin-javamaniry sy biby (épigés)

Njila fisaka (mandray roa)

Mena bota

Mena lava

Ny tadiavina manokana hamokarana zezika (lombricompst) dia ireo karazany miaina ambony tany (épigés) fa tsy ireo miaina anaty tany (endogés)

  •        Ny kankana mpiasa tany (vers laboureurs)

Njila bory: 9cm ny halavany
Mahery fihetsika ary mamelona soratra manga rehefa kasihina. Tia mivelona amin’ny tany misy tanimanga.

 

Njila fisaka: 22cm ny halavany
Fisaka ny kibony
Mivelona amin’ny fatin-javamaniry misy taim-biby

Njila mailokely: 4sm ny halavany. Madinika Tia toerana mandomando sy atsanga. Mahery fihetsika, mamelona soratra rehefa kasihina

 

Mena matory: 8cm ny halavany

  •      Ny kankana mpanapotika (vers digesteurs)

 

    Mena bota (Eisenia foetida sy andrei) avy any ivelany: 3.5 cm ny halavany. Misy tsipika ny lamosiny, mena midorehitra ny lokony, tia mivelona @ fatin-java-maniry misy taim-biby

    Mena lava (zanatany): 4cm ny halavany

    3.6 Ny fotoana fatorian’ny kankana

    Miasa 24ora/ 24ora ny kankana

    Eo anelanelan’ny volana Jona sy ny volana Aogositra no fotoana fatoriany.

    Ny ahafantarana azy dia miadana ny fiasany

    Mba hanairana azy amin’ny torimaso dia asiana sesbania sesban maintso notetehana ao anatin’ny sakafony sady ho famporisihana azy

    Azo atao koa ny mampiasa krotalera

    fanamarihana : Tsy azo atao kosa ny mampiasa tephrosia fa mamono ny kankana amin’ny maha fanamamo azy

       

       

       

mena bota - mena lava - njila bory - njila fisaka

Comment this page.