Ny tontolobeny
tanana Antanetibe Ampananina
Antanetibe Ampananina dia ahitana tanana vitsivitsy, miorina ao anatin’ny kaominina Mahitsy (10 km mialohan’ny idirana an'i Mahitsy raha avy aty Antananarivo, manaraka ny RN4), distrikan’Ambohidratrimo, izay ahitana mponina miisa 512, ka mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana ny maro an’isa.
voly avotra
Ny sahan’asa voly avotra dia fomba fambolena natao manelanelan’ny fotoana fambolena vary roa misesy, ka ny tanjona dia ny hanatsarana ny nofon-tany sy ampakana aina ny tanimbary avy amin’ny alalan’ny fambolena legioma,mandritra ny fotoana tsy hambolem-bary. Izany no natao dia tsy noho ny fanatsarana ny nofon-tany ihany fa koa ho fampitombona ny vola miditra ho an’ny tantsaha ka hafahana mividy zavatra ho amin’ny fambolem-bary
Ampananina tanana