Iza?
Iza avy moa ireo tantsaha manao izany voly avotra izany ? Saika ny rehetra no manao izany sahan’asa izany ka ao ireo mivondrona ao anatin’ny fikambanana roa, Tsimoka sy Taratra, izay ahitana mpikambana eo amin’ny 30 tafo avy. Misy ihany koa anefa ireo tsy resy lahatra ka tsy ao anatin’ny fikambanana, manao ho an’ny tenany irery; nefa na izany aza dia mbola mitana ny fomba fanao asa vadi-drano ihany izy ireo, izany hoe mifanome tanana.
fikambanana TSIMOKA
Noho ny ezaka nataon’ireo fikambanana ireo dia nahazo fanampiana tamin’ny PSDR izy ireo, ary ny ankamaroany dia fampitaovana ara materialy momba ny fambolena (fiavana ny tany, sy ny hafa koa), izay tsy averina.