Ny mahasarika

Ny voly avotra ho an’ny tantsaha eto Ampanina dia tsy sahan’asa nianarana fa nolovaina tamin’ireo zoky ray aman-dreny teo aloha, nefa na izany aza dia tsy mionona fotsiny ireo tantsaha fa mikaroka ny tsaratsra kokoa hatrany ho fanatsarana ny fomba fambolena , ny vokatra azo sy ny karazam-bokatra.

Eny fa na dia tsy hoe fototry ny fambolena aza ny voly avotra dia azo lazaina fa manampy betsaka ireo tantsaha eo amin’ny fivelomany , satria ny vola azo avy amin’ny voly havotra no miantoka ny 60% ny vola ilaina ho an’ny fambolem-bary. Noho izany dia saika ny zato isan-jaton’ny tantsaha mamboly vary no manao io sahan’asa io. Ka ny teny faneva dia ny hoe : « Ny vary sakafo , ary ny Landy no laoka »

Comment this page.