Tamberina

Raha ny voly avotra dia efa ela no nampiasan’ny tantsaha tao an-toerana azy, ary mbola tohizana sy hatsaraina hatrany hatramin’izao. Ny ambolena amin’izany dia ireo legioma mora maniry, vokatra ao anatin'ny telo volana toy ny petit pois, tsaramaso, korzety, voatabia; manomboka ny volana mey na Jiona, ka hatramin’ny volana aogositra na septambra.

Ny vokatra azo, ny ankamaroany dia amidy eny an-tsenan’i Mahitsy na Talatamaty, ka ireo mpambongadiny no tonga maka ny vokatra eny an-toerana, ary ny vidiny dia miankina amin’ny vidin’entana eny antsena ka araka izay hifanarahana.

Ny vola azo avy amin’ny vidim-bokatra dia natao anampiana ny fambolem-bary , ka mahasahana ny 60% ny vola ilaina amin’izany.

Comment this page.