Toerana
Nisafidy ny hanao voly avotra ny tantsaha ao Ampanina Antanetibe satria izy ireo dia mivelona amin’ny fambolena sy ny fiompiana, ka ny voly vary no loha laharana amin’ny fambolena, nefa tsy mahavita taona izany fa roa volana dia lany fara fahabetsany efa-bolana raha nampiasa ny voly vary manara-penitra ry zareo. Ny voly vary dia fambolena efa nolovany tamin’ireo zoky Ray aman-dReniny teo aloha ka tohizany hatramin’izao.
Ny tombony ho an’ny fambolena atao ao Ampananina koa dia ny fisian’ny rano mandava-taona, izay loharano avy any antendrombohitra .