VAHAOLANA 

Tsapan'ireo tantsaha mpikambana ao anatin’ny fivondron'ny Tantsaha TARATRA sy MITSINJO misy eo an-tanàna ny fiantraikan'ny fahasimban'ny tontolo iainana noho ny fitotongan'ireo sahan'asam-pamokarana samihafa fanaony. 

Najoro vokatr'izany ny tetik’asa ho fanentanana ny mponina hamerenana  indray amin’ny laoniny ny ala sy ny fiarovana ny loharano tsy ho ritra

ZAVA-MANIRY

  • fikojakojana ireo zava-maniry fanao fanafody eny Ampananina miisa 150 eo ho eo (Kanda, Kijejalahy, vahona, Andrarezina...),
  • fanaovana tanin-janakazo (vondron'ny tantsaha)
  • fambolena hazo fanaovan-trano sy kitay fandrehitra ( kininina,Kesika)
  • fambolena voaroy hazo ho an'ny fiompiana landy
  • fambolena ravintsara (huile essentielle)
  • fampiasana ny bozaka eny an-tanety ho lasa zezika sy tafon-trano
  • fizaràna ny tany ho volena hazo teny Ampananina ho fampandraisana anjara ny tsirairay amin'nyfambolen-kazo sy ny ady amin'ny doro tanety

 RANO

  • fampidirana rano fisotro madio niaraka tamin'ny FIKRITAMA (paompy, siniben-drano)
  • fametrahana ny vondron'ny mpampiasa rano  

Marihina fa ny rano natao ho fisotro dia mikoriana mivantana avy a ny amin'ny farihy antampon'Ampananina ary miditra ao anaty siniben-drano avy hatrany. Ny rano ampiasaina amin'ny voly kosa dia rano mitsika avy any ambanin'ny tany .         

Commenter cette page