Zavatra efa fanao ny tantsaha mpiompy ny fiompiana trondro kanefa noho ny antony maromaro toy ny tsy fahampian'ny zanatrondro, ny tsy fisian'ny tohana ara tekinika sy ara-bola ary indrindra indrindra nohon'ny tsy fanomezana lanja azy dia niraviravi-tanana ny mpiompy ary nihena tsikelikely ireo mpiompy trondro fa nivadika fihariana hafa.
Etsy andanin'izay anefa, nitombo andro aman'alina ny filan'ny mpanjifa ny trondro eo amin'ny tsena ary fantatry ny olona fa ny trondro dia sakafo tsara no sady mora levonina , ary nanampy izany ny fahazotoan'ny mpiompy raha misy ny zanatrondro, dia niroso indray ireo mpandraharaha amin'izay sehatra izay. Ny fisian'ireo aretina amin'ny fiompiana hafa toy ny kisoa sy ny akoho vao maika nampirona bebe kokoa ha amin'ny fiompiana trondro