Efa tamin'ny taona 2002 no nanombohan'ny MILASOA ny famokarana zanatrondro-na Tilapia lahy. Ny fahatsapana ny tsy fahampian'ny tolotra zanatrondro ho an'ireo mpiompy sy ny filan'ny mpanjifa ny tilapia eo amin'ny tsena no nanosika ny MILASOA hitrandraka izay lafiny izay.
Niatomboka tamin'ny famokarana zanatrondro an-dobo vita amin'ny tany ny famokarana ary niroso amin'ny sehatry ny fitrandrahan'ny "Ecloserie" izany. Io tekinika io dia ahafahana mifehy tsara ny famokarana ary hahazahoana vokatra tsara sy betsaka.
dobo tany
Ao Andranovelana , eo amin'ny kilometatra 44 mankany Mahajanga no misy azy. Toerana sahabo eo amin'ny 1O ha eo no itoerany ary loharano iray tarika amin'ny rano trandrahain'ny ozinina STAR izay manao ny rano fisotro "Eau vive" no hampiasaina amin'izany toeram-pamokorana izany.
rano avy any an-tendrombohitra