Recommandations et perspectives:
Recommandations:
- Tokony ho jerena akaiky ny fanohanana ny tobim-pamokarana tahaka itony raha tiana ny hampandroso ny fiompian-trondro ( ara-bola, ara-tekinika...)
- Apetraka tsara ny lalana mifehy ireny tobim-pamokarana ireny
- Tokony hiara-hiasa akaiky ny sehatry ny fikarohana sy ny mpandraharaha amin'y sehatra tahak'itony
- Hamoraina ny fahafahana mindram-bola amin'ireo banky
- Tokony hazava tsara ny paikadin'ny fanjakana amin'ny sehatry ny fiompiana trondro
Perspectives:
Sehatra'asa azo hianteherana ary mahavelona tsara ny famokarana zanatrondro sy ny fanalebihazana. Ilaina ho matotra kokoa ny fitrandrahana ary hamafisina ny fiaraha-miasa amin'ireo sehatry ny fikaroana. Ny fampitomboana ny fahazai-manao ny mpiompy dia antoka iray ny fandrosoan'ny fiompiana trondro satria samy hahazo tombony daholo ny mpamokatra zanatrondro, ny mpamokatra trondro fihinana ary ny mpanjifa.