RATOVOARIMIHAJA Bien Aimé 

Mpiompy akoho mpanatody lava izay monina ao amin'ny tanàna kelin'ny Tsarahonenana Fokotany Miadapaonina , tsy lavitra ny renivohitry ny Kaomina Ambanivohitry Mahitsy .

Ny tanjony dia ny fampivoarana mandrakariva ny sahan'asa izay nosafidiny ho fotom-pivelomana .

Hifandrombon'izy mirahalahy ny fikarakarana ny fiompiana

RATOVOARIMIHAJA Bien Aimé

Notaizana tao anatina fianakaviana mpamboly sy mpiompy Atoa Bien Aimé mirahalahy avy , izany no namolavola azy ireo hisafidy hanohy ny hanatsara ny sahan'asa fiompiana akoho mpanatody lava  rehefa lehibe.

Ny taona 1995 izy ireo no nanomboka tamin'ny akoho mpanatody miisa 150 , tsy nitsahatra ny nanatsara sy mampitobo isa ireo akoho izy ireo tao anatin'ny 14 taona niasany ary ankehitriny efa mahatratra 7500 ny isan'ny akoho hompiany.

Ny akoho mainty ''Harco"no mahazatra azy ,ary nahazoany fahombiazana satria ; manomboka manatody amin'ny faha 18 herinandro nidirany ary mahatratra hatramin'ny 95% ny salan'isa fanatodizany amin'ny fotoana fara-tampony eo amin'ny fanatodizana.

Matoa  nisy ny fahombiazana dia marihana fa nanana fiaraha-miasa akaiky tamin'ireo mpamatsy akoho azy izy ireo izay tsy mitsahatra ny manampy azy amin'ny fampianarana sy ny torohevitra maro samihafa.