•  IZA NO MISAHANA NYASA?

Fiompiana fianakaviana izy ity satria izy mirahalahy avy miaraka amin'ny mpiasa dimy karamainy .Fiompiana mandeha amin'ny herin'ny tenan'ny tompony , tsy misy mpamatsy vola .

  •  TOERAM-PIOMPIANA

Tsara safidy ny toerana nametrahana  ilay fiompiana ; miataka kelin'ny tanàna lavitry ny tabataba , azon'ny rivotra sy masoandro tsara , Kanefa tsy lavitra ny lalam-pirenena faha 4 izay manamora ny famatsiana ny akora rehetra ilaina amin'ny fanodinana ny sakafon'akoho sy ny famoahana ny vokatra.

Miisa 17 ny tranon'akohoankehitriny,tsotra nefa efa mba manarapenitra kely ihany , misy varavarakely tsara, ahitana ny fitaovana rehetra ilan'ny akoho(fihinana, fisotroana, fanatodizana...)misy herinaratra manazava amin'ny alina .

  • SAKAFO

Amin'ny fotoana mahabe ny vokatra dia manangona ny akora ry zareo hanaovana ny sakafony, azy ireo ''formule '.manana tombony izy satria kelikely ny masonkarena anefa ny vokatra tsara .

VOKATRA 

 Intelo isan-kerinandro izy no mamarotra ny atody enyan-tsena,  manondrana ny vokatra any amin'ny Renivohim-paritany hafa( Toamasina, Mahajanga...).Mahavelona tsara ny famokara atody raha toa ka hifotorana tsara  ;ny tsena mbola malalaka tsara...  

akoho mpanatody lava                toerana fanatodizana

Comment this page.