Antanetibe Ampananina dia fokontany iray ao anatin'ny Commune rurale Mahitsy

tanana Ampananina

Tanàna ahitana 45 tafo ary mponina miisa 520 izay mifototra @ sahan'asa 3 @ ankapobeny dia ny:

  • voly vary
  • fiompiana landy
  • fanaovana voly avotra:legioma  

voly vary SRI                     fiompiana landy                   voly avotra legioma

Ny fiompiana landy

Raha ny tantaran'ny fiompiana landy tao Antanetibe no zohina dia:

Sahan'asa nolovaina t@ ireo ray amandreny teo aloha izy io saingy nivoatra nanaraka ny toetr'andro: na teo @ lafiny fitaovana nampisaina na teo amin'ny karazan'ny masom-biby nampiasaina:

  • niainga t@ landy gasy,
  • avy eo nampiasa ny landy koreana,
  • ary ankehitriny dia ny landy japoney no ampiasana satria hita fa io no ahazoana tombotsoa be be kokoa.

Ny fikambanana Tsimoka

Ny " Association TSIMOKA" dia fikambanana mijoro ara-panjakana niorina t@ taona 1996.

Misahana sahan'asa samihafa fa ny hojerentsika manaraka eto dia ny mikasika ny fiompiana Landy.

fikambanana TSIMOKA miaraka amin'ireo mpitsidika