Tamberina
centre MILASOA
Ny fiompiana trondro no tena imasoan’ny centre “Mila Soa”, ao Andranovelona, Commune Fihaonana. Rehefa hita anefa fa tena ilaina ny zezi-pahitra, izay sakafo fototry ny trondro mba anampiana ny provandy, dia natao koa ny fiompiana omby vavy be ronono, ny 12 Desambra 2006: atao compost io zezika io, ka rehefa masaka tsara dia arotsaka ao an-dobo izay sahaza ny omby isaky ny mihinana.
toerana fiompiana ombyvavy be ronono
Omby vavy 5, vatombatony,efa nitondra, ka taranaka Holstein no fiandohana