Fiterena
- Indroa isan’andro ny fiterena: amin’ny 5 ora maraina sy 3 ora hariva, fotoana raikitra
- Mpitery mahay tsara;alohan’ny iterena dia :
- Sasana amin’ny rano mafana ny nonon’omby;
- Fafana tsara amin’ny lamba madio avy eo;
- Sasana amin’ny savony avy eo ny tanana;
- Seau madio no hitatazana ny ronono.
Ny ronono azo amin’ny hariva dia tehirizina ao amin’ny congélateur amin’ny alina
Tsy afangaro ny ronono voatery maraina sy hariva
Ampiakarina any ambony ny ronono voatery ; efa misy tompon’andraikitra mitsinjara ny fanaparitahana azy
Ronono 15l isaky ny omby terena, ny salan’isa azo isan’andro
Fitsinjarana ny ronono voatery
Eo Mahitsy ihany ny mpaka azy: mpanao yaourt, dibera, fromage no mpaka azy
Ariary 1000 ny iray litatra