Toeram-piompiana
Trano
Manara penitra
Tafo bozaka
Tsy teritery ny toerana
Voalalotra simenitra ny ambany
Misy canal ivoahan’ny maloto
Misy fosse à fumier
Misy fisotroana rano automatique
Misy fihinanana manokana, avo toerana , milalotra simenitra
Mitokana ny zanany sy ny reniny
Mitokana ny vavy sy ny lahy
Fikarakarana
Ramatoa Lalao no tompon'andraikitra voalohany amin'ny omby, mpanome ny sakafo sy mapanadio, tsy misahana asa hafa izy: - omby vavy 5 sy zanany 3 ka lahy ny iray
Hafa no mitery
Sakafo
- Misy mpaka vilona manokana
- Mamboly vilona eo @ 10 Ha eo
- Maka vilona gasy (vilona maina ny fiteniny azy)
Sakafon'ny renin'omby
- Afangaro ny vilona gasy, mololo ary ny vilona nambolena
- Omena provandy 7 kg isan'andro isaky ny /omby, ka eo am-piterena no anomezana azy (zaraina maraina sy hariva)
- Tsy misy fatra ny vilona fa mihinana foana ny omby, manomboka amin'ny 5 maraina ka hatramin'ny 6 ora hariva
- Misotro rano izay tiana
- Provandy amboarina eo an-toerana ihany
Sakafon'omby
Vao teraka ny omby dia sarahina amin'ny reniny :
Vao teraka ka hatramin'ny 2 volana: rehefa tapitra ny songon-dreniny dia omena ronono 1,5 l sy tapany, ao anaty koveta madio, maraina sy hariva
- Feno telo volana ny omby; omena ronono 2 l
- Feno telo volana : manomboka mihinana provandy
Vao feno herin'andro mahery ny omby kely dia efa manomboka zarina omena vilona malemy ary misotro rano izay lany.