TOROLALANA ANKAPOBENY MOMBA NY FANATSARANA NY FIOMPIANA ANDIAN-TANTELY

 

TENY MIALOHA

  • Lalam-pihariana iray manana ny maha izy azy ao anatin’ny sehatra famokarana ara-piompiana ny fiompiana andian-tantely noho izy asa mora atao no tsy mandany fotoana ary kely mason-karena.
  • Ny andian-tantelintsika dia biby isan’ny mpamokatra mamy sy savoka tsara amin’ny alàlan’ny famolavolany ireo vovom-bony (pollen) sy tsirom-bony (nectar) alainy eny amin’ireo hazo maro karazana maniry sy misy eto an-toerana.
    Mampidi-bola anatiny sy ivelany ho an’ny mpiompy sy ny mpandraharaha ary ny firenena ny vokatra rehetra azo avy aminy fiompiana andian-tantely.
  • Ankehitriny, malalaka ny tsena ivelany (marché extérieur) ho an’ny mamin-tantely. Fanararaotra ny fotoana tahaka izao ho enti-manatsara ny kalitao sy mampitombo ny vokatra mamy.
  • Noho izany, ity misy fisy atao ho an’ireo olona efa miompy na ireo olona te-hiompy andian-tantely izay vonona fa hanaraka ny fepetra rehetra ilaina momba ny famokarana mamy manara-penitra.
  • Aseho amin’ny fomba tsotra nefa mazava ato amin’ity fisy ity ny fepetra ara-teknika ahafahana mitondra sy mitantana ny fiompiana andian-tantely manara-penitra.
  •