NY TARANAKA ANDIAN-TANTELY
Tokana ny taranaka andian-tantely na renintantely ompiana eto amintsika dia ny Apis mellifica unicolor ; saingy mitsitokotoko ho andia an’ivotany sy andia amorontsiraka izy ireo.

Andian-tantely mihantona
Ireto sokajim-biby manaraka ireto araka ny isany avy no mandrafitra ny andian-tantely iray tonga lafatra afaka miara-monina sy mivelona anaty tohotra iray dia ny andriana na mpanjaka miisa iray, ny mpiasa miisa an’alin-kisa, ny lahiny miisa an-jatony (izay tsy miseho raha tsy amin’ny fotoana fampitomboa- taranaka) miampy ireo akany omban’ atody sy zanany vao foy.
Mpanjaka na Andriana ao anaty ankany
Lahitantely iray eo ampitsetsefana mamy
Mpiasa miremby
Takelak’ankany iray tsara tefy
(un beau rayon à couvains)



