Ny vokatra sy ny fikojakojana azy

 

Karazam-bokatra

 

Ny vokatra mety ho azo avy amin’ny fiompiana andian-tantely:dia maro;
Ao ireo vokatra efa mahazatra ny akamaroan’ny mpiompy toy ny mamy, ny savoka.
Tsy diso anjara ihany koa ireo vokatra hafa mety ho azo avy amin’ny fiompiana andian-tantely toy ny vony (pollen), ny dity (propolis), ny andian-tantely (colonie), ny mpanjaka, ny poizin-tantely (vénin), ny gelée royale, s.n.s.
Samy azo atao fidiram-bola ho an’ny mpamokatra ireo vokatra voatanisa teo ireo fa anjaran’ny tsirairay ny misafidy izay tiana hatao.
Fa eto izany dia ny fikarakarana ny mamy sy ny savoka amin’ny ankapobeny manomboka amin’ny fiotazana ka hatrany amin’ny fivarotana azy ireo no hojerena akaiky.

Fiotazana ny vokatra

 

Fijerena mialoha ny papy efa tokony ho alaina anaty tohotra tsirairay.
Marihina fa ny papy (brèche ou rayon) misy mamy mirakotra hatrany amin’ny 2/3 raha kely indrindra ary tsy misy zanany na atodiny na kely aza no tena fioty.

Fanomanana ny fitaovam-piotazana (antsy, vata (hausses) madio hametrahana vonjy maika eny amin’ny toby ny tati-toho-tantely (cadres) feno mamy mirakotra, ny fitaovam-piarovana rehetra efa voalaza tany aloha.
Ny fotoana dia ny maraina (andro maina sady tsara) izay maha be ireo mpiasa (ouvrières) mandeha miremby any an-tsaha.

Fikojakojana ny vokatra

 

Atao ny andro niotazana azy avy hatrany ny fanodinana ny papy misy mamy satria mora mandry no sarotra halàna ny mamy tantely rehefa dila ny fotoana tokony hanaovana izany.

Fomba tsara tokony ho arahana:

  • Kikisana amin’ny antsy aloha ny rakotra rehetra ary angonina tsara sy atao ao anaty daba efa voahomana ho amin’izany mba tsy ho very;
  • Hapetraka tsirairay anaty daba fanivànana (extracteur) ny tati-tohotra efa voakiky ary ahodina mba ahazoana ny rano-mamy. Ampandalovina fitsihifana manana mason-tsivana majinika mba hanalàna mba hanalana tsara ireo poti-javatra madinika mbola tavela (bozaka, sns) mialohan’ny handrotsahana azy ao anaty barika fanotrehana (maturateur);
  • Tehirizina anaty barika na hatao avy hatrany amin’ny boaty manana fatra izay tiana raha toa ka hamidy ny mamy voadio.

Vinavinam-bokatra mety ho azo

 

Ny tohotra LANGSTROTH manana refy voalaza tao amin’ny kojakoja dia mety hahavokatra rano-mamy efa voadio milanja 13 Kilao eo ho eo (raha tohotra manana haavo 20 sm) ka hatramin’ny 17 kilao (raha tohotra manana haavo 24 sm) isaky ny misarika.
Ny isan’ny fisarihana ao anatin’ny taona iray dia miankina betsaka amin’ny faharetan’ny fotoam-pamelanan’ny hazo sy ny abetsahany eo an-toerana .
Ny tohotra manana haavo 20 sm sy misy rafi-tsavoka (cire gaufrée) dia mety isarihana in-telo hatramin’ny in-dimy (salany=4) ka toa izao ny kajy mety ho azo amin’izany:
- 13 Kilao x 4 = 52 Kilao mamy efa voahodina

Ny .Lalam-barotra sy ny famokarana

 

Fantarina mialoha ny lalam-barotra (débouché) mba ahafahana mamaritra ny ventim-bokatra tiana hatao.


Torolalana tsotra momba ny fitantanana asa fiompiana andian-tantely”
Ny fitantanana asa fiompiana andian-tantely hamokarana mamy manara-penitra dia asa tokony ho voafehin’ny mpiompy satria io no fototra itarafana ny fivoaran’ny orin’asa sy ahafahana maminavina ny ho avin’ny orin’asa (ohatra fanitarana ny asa hatao).
. Ny tsara ho fantatra raha hitantana asa fiompiana andian-tantely:
- Fananan’ny tobim-piompiana tsirairay nomerao manokana izay alaina eny amin’ny sampandraharaha misahana ny fiompiana eo an-toerana ka atao mazava amina tabilao mitsatoka manoloana ny toby izany.
Ny tohotra rehetra ao anatiny koa dia omena nomerao mifampitohy atovana amin’io nomeraon’io toby io ihany.
- Fananana boky firaketana isaky ny toby fiompiana miaraka amin’ny tohotra rehetra ao anatiny mba itanana an-tsoratra izay asa natao na zavatra mety hitranga ao mandritry ny fotoam-pamokarana;
- Fitanana an-tsoratra ny tetiandron’asa ho atao (calendrier de travail) mandritry ny taona eny amin’ny tobim-piompiana sy ao amin’ny toeram-panodinana ary ao amin’ny trano fitobiam-pitaovam-piompiana
- Fananana boky firaketana ny fitantanana ara-bola ny famokarana (mivoaka sy miditra): vidin’ny entana miditra, vidin’ny vokatra ahafahana mikajy ny mason-karena sy ny tombom-barotra.

 

 

Comment this page.