Torolalana tsotra momba ny fitantanana asa fiompiana andian-tantely


Ny fitantanana asa fiompiana andian-tantely hamokarana mamy manara-penitra dia asa tokony ho voafehin’ny mpiompy satria io no fototra itarafana ny fivoaran’ny orin’asa sy ahafahana maminavina ny ho avin’ny orin’asa (ohatra fanitarana ny asa hatao).


Ny tsara ho fantatra raha hitantana asa fiompiana andian-tantely:
- Fananan’ny tobim-piompiana tsirairay nomerao manokana izay alaina eny amin’ny sampandraharaha misahana ny fiompiana eo an-toerana ka atao mazava amina tabilao mitsatoka manoloana ny toby izany.
Ny tohotra rehetra ao anatiny koa dia omena nomerao mifampitohy atovana amin’io nomeraon’io toby io ihany.
- Fananana boky firaketana isaky ny toby fiompiana miaraka amin’ny tohotra rehetra ao anatiny mba itanana an-tsoratra izay asa natao na zavatra mety hitranga ao mandritry ny fotoam-pamokarana;
- Fitanana an-tsoratra ny tetiandron’asa ho atao (calendrier de travail) mandritry ny taona eny amin’ny tobim-piompiana sy ao amin’ny toeram-panodinana ary ao amin’ny trano fitobiam-pitaovam-piompiana
- Fananana boky firaketana ny fitantanana ara-bola ny famokarana (mivoaka sy miditra): vidin’ny entana miditra, vidin’ny vokatra ahafahana mikajy ny mason-karena sy ny tombom-barotra.

 

Comment this page.