NY VOKATRA ANDRASANA

 

Zanakomby sy ronono no vokatra andrasana voalohany avy amin'ny ombivavy be ronono. Tsy azo adinoina anefa fa misy koa ireo vokatra hafa fanampiny azo trandrahana amin'ny fampiasana azy ireo toy ny hena, zezika, hoditra,

RONONO
ZANAK’OMBY

NY RONONO

Miakatra hatrany ny ronono vokarin'ny ombivavy iray manomboka ny taona voalohany anomezany ronono (1ère lactation) ka hatramin'ny taona faha efatra (4ème lactation) izay ahatratrarany ny fahafahana mamokatra be indrindra.

NY ZANAKOMBY

Tokony miteraka isan-taona ny ombivavy be ronono iray raha toa ka manaraka ny fiompiana ara-teknika.
Miteraka in-enina na im-balo eo ho eo ny ombivavy iray amin'ny ankapobeny alohan'ny hitsaharany ; ny ombivavy iray izany dia tokony hanome zanaka enina na valo mandritrin'ny fiainany.

NY ZEZIKA

Ny omby iray dia azahoana zezika eo amin'ny 6 ka hatramin' ny 8 taonina isan-taona eo ho eo, raha mitondra lafika dia 12 ka hatramin'ny 15 taona.

NY HENA

Ny zanakomby lahy, ny ombivavy ary ny ombilahy tsy ilaina amin'ny famokarana intsony no azo vonoina aha/oana hena.
Tsara ho marihina fa voararan' ny lalàna ny mamono ombivavy, raha tsy mahazo alalana avy amin'ny tompon' andraikitrin' ny Fiompiana.

NY HODITRA, TANDROKA, KITRO ARY TAOLANA

Azo ahodin'ny mpanao taozavatra ho fitaovana fampiasa isan-karazany. Ny taolana dia azo ampiasaina hatao zezika hanatsarana ny fambolena.

Comment this page.